Fandravahana jiro ny tanàna ao Ambatolampy
Efa miomana amin’ny fandraisana fetim-pirenena ihany koa ny ao amin’ny kaominina Ambatolampy. Napetraka nanomboka androany ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 160 sy ny jiro « Cobra » 40 hanazavana ny tanàna. Mankasitraka tanteraka io asa io ny mponina any an-toerana, “mankasitraka indrindra, efa ela no mba naniry izany fa dia niaina tao anaty aizina nandritra ny fotoana maharitra” hoy izy ireo.
Voatsinjara amin’ireo Fokontany 9 mandrafitra ny kaominina izany, ka mahazo jiro 22 isaky ny fokotany avy. Miara-miasa akaiky amin’ity ezaka ity ny Jirama ny mpandraraha eto Ambatolampy ary ireo vondrona maro samihafa. Hita fa mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ny tanàna na eto andrenivohitra na ireo faritra.
Hasina Rasamimanana
