ActualitésSocialTsidika

Alasora: Tratra ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Ankadindratombo

Tratran’ny polisin’ny CSP Alasora ny faran’ny herinandro teo ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tetsy amin’ny Shop Liantsoa Ankadindratombo.

“Ray andro taorian’ny nitrangan’ny fanafihana izay namoizana ain’olona sy nahaverezana vola dia tra-tehaky ny polisy ireo telo lahy nahavaonon-doza tao an-toerana. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny Polisy dia fantatra fa ny mpiambina iray tao amin’ilay tranombarotra ihany no tompon’antoka tamin’ny asa ratsy ary naniraka ireo namany hanafika ilay tranombarotra” hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.

“Raha ny lalàna eto Madagasikara, dia mbola mety ho afa-bela ihany ireo mpanao ratsy ary hirihariha na ho ela na ho aingana. Anisan’ny zavatra mampalahelo satria tsy mifanaraka amin’ny heloka goavana nataony ny saziny. Ny mendrika ny mpanao ratsy dia avaly aminy ny nataony. Raha izay no mipetraka dia ho fay ary tsy ho sahy intsony ny mpanao ratsy hafa” hoy i Zoely, mpandinika fiaraha-monina.

Anisan’ny mbola voararan’ny lalàna ary tsy azo atao ny mamono olona eto amintsika. Voafaritra ao anatin’ny zon’olombelona ihany koa izany. Na izany aza anefa, ny fitsarana no tompon’ny teny farany sy mamaritra ny sazy mifanaraka amin’izao heloka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire