ConseilTsidika

Torohevitra: Tianao ho fotsy ve ny nifinao ? Ity ny torohevitra.

Nify, singa iray manome endrika ny tarehy. Manome endrika ihany koa ny tsikitsiky. Anisan’ny singa iray manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny fiainan’ny zank’olombelona izy io satria raha tsy misy nify dia sarotra ny fisakafaoanana. Ilaina noho izany ny mikojakoja ny nify sy manatsara azy.

Ireto misy fomba fomba azo atao raha te hikojakoja ny nify izany hoe te hanafotsy azy indrindra indrindra. Vokatra sy fitaovana mora hita ary ao an-tokantrano ihany no ampiasaina. Kikisana ny karaoty ary fihazina tsara mba hamoaka ranony. Tsy asiana rano ity fangaro ity. Harotsaka ao ihany koa ny ranona vosary makirana ka arahina « dentifrice » sy sira izany rehefa avy eo. Ireo akora efatra ireo no hafangaro tsara hahazoana fangaron somary marihitra ary iny no hikosehana ny nify dia hitanao ny hatsarany rehefa avy eo.

Tsy voatery izany ihany anefa no azo atao fa mbola misy maro samihafa. Azonay atao ny mampiasa kariboenatra, ao ihany koa ny fanagarona saribao sy sira sy ny maro hafa. Torohevitra ihany no haroso ato fa ny tena idealy amin’ny fikojakojana ny nify dia ny fiborosiana izany in-telo isan’andro ary hialana ny fihinanana mamy betsaka loatra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire