Alasora: Andalam-pahavitana ny fanamboarana ny EPP Alasora
Efa andalam-pahavitana ankehitriny ny fanamboarana ny trano fianarana EPP Alasora, ao amin’ny kaominina Alasora, rehefa nasiam-panamboarana manodidina ny telo volana teo ho eo izao. Ny hahavitan’izany tanteraka mialohan’ny faran’ity taona ity no tanjona napetraka tamin’ny fanamboarana izany.
“Miroso tsikelikely amin’ny fahavitany ny fanamboarana ny EPP Alasora. Araka ny vina napetraka dia ny ahavitan’ity trano fianarana ity hatramin’ny faran’ny taona. Ka indro izao, efa andalam-pahavitana izao” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
“Hisaorana feno ireo tompon’andraikitra amin’ny fandraisana an-tanana ny fikarakarana ny sekoly tahaka izao. Ny sekoly izay anisan’ny varavarana mitondra mankany amin’ny fandrosoana, indrindra ho an’ireo taranaka malagasy izay mendrika izany tokoa” hoy I Louisette, mpampianatra.
Raha tsiahivina, efa an-taonany maro ity sekoly ity no tsy nisy fanamboarana sy fikarakarana kanefa anisan’ireo sekoly tranainy indrindra ao Alasora ary mandray mpianatra maro tokoa ao an-toerana ka izao nasiam-panavaozana izao.
Manitra Ramanantsoa
