ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tafatsangana ny borne fontaine, ao amin’ny fokontany Gara, faritra fahadimy

Tafatsangana ny borne fontaine, tao amin’ny faritra fahadimy, ao amin’ny fokontany Gara, kaominina Ambohimanambola. Ny faran’ny herinandro teo, nisy ny fivoriana nataon’ireo mpiray tanàna ka nahafahana nametraka izany tao an-toerana.

“Paikady anisan’ny tsara hatao ny nataon’ireo mponina mipetraka ao amin’ny fokontany Ambohimanambola gara faritra faha-dimy ity fananganana borne fontaine ity. Nanao fivoriana ireo mpiray tanàna nahafahana mametraka izany. Nisy  ny fanaovana tsipaikapaika nataon’izy ireo ka naroso teo amin’ny kaominina ny fangatahana. Rehefa vita izay dia natao ireo taratasy rehetra nentina hanamarinana ny ezaka fanombohana nataon’ireo mponina sy ny fizakana ho raisin’ny kaominina an-tanana » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

«Na dia efa tafapetraka aza ireo laminasa rehetra mikasika ny fanatsarana, fananganana borne fontaine amin’ny ankapobeny dia nekena avy hatrany ny fangatahana manoloana ny firaisankiana manamarina ny filàna iombonana ny rano. Marihina moa fa fotodrafitrasa vonjimaika afaka mampisitraka sy mamaly ny filan’ny mponina no napetraka mialohan’ny fametrahana ireo borne fontaine modely- mira » hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy voatery hiandry tetik’asa kaominaly vao afaka hisitraka foto-drafitr’asa tahaka izao. Azon’ny mpiara-monina atao tokoa ny miray hina mba hanaganana asa ho an’ny fampandrosoana, indrindra ho an’ny soa iombonana.

Laisser un commentaire