Suède : samy miaro ny tenany ny tsirairay.
Tsy misy fanaovana aro vava orona intsony, tsy misy fihibohana, tsy hakatona intsony ihany koa ny trano fisakafoana any Suède. Samy mametraka fitsipika ho an’ny tenany na vondrona misy azy avy ny tsirairay hiarovana ny valan’aretina Covid-19 hoy ny governemanta any an-toerana. Nanaiky izany ny sarambabem-bahoaka. Mety hihombo be anefa ny aretina hoy ny sasany. Efa avo folo heny ny maty tao Suède, firenena ao afovoan’i Europe raha ampitahaina amin’i Norvège sy i Finlande. Miisa 10,3 tapitrisa ny mponina any ary maherin’ny 610 000 ny trangana coronavirus. Tsy latsaky ny 12 487 ihany koa ireo maty raha ny antotan’isa nivoaka ofisialy. Izany rehetra izany mihitsy no antony nandraisana izao paikady vaovao izao raha nofehezina tsy hifanerasera be ny olona teo aloha kanefa betsaka ihany ny narary.
