Iran : Manao antso avo ny firenena frantsay.
Nanamafy ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay fa misy teratany frantsay voasambotra any Iran. Ny volana may taona 2020 teo ity teratany frantsay ity no naiditra am-ponja. Tsy mbola fantatry ny frantsay kosa anefa ny antony nahatonga ny fisamborana. Nandritran’ny fanambarany no nilazany fa nahazo alalana hivezivezy sy hanana ny zo rehetra tokony hisitrahany ity teratany ity. Nahazo ny fankasitrahana tany amin’ny masohivohon’ny frantsay any “Teheran” moa izy tamin’izany. Nilaza izy ireo fa tsy misy antony tokony hanamelohana ity mpiray firenena aminy ity ka mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatak’andro. Miverina indray araka izany ny tsy fifankazahoana eo amin’ny firenena frantsay sy ny Iran. Vehivavy mizaka ny zom-pirenena frantsay sy iranianian ihany koa no efa tratran’ny sazy tahaka izao ny taona 2020.
