ActualitésTsidika

Andranobevava : Zava-dehibe ny fifanohanana eo amintsika samy mpiray tanindrazana

Nampian’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana ny olona mpianaka tany Andranobevava. Tsy nahatsiaro tena intsony ilay reniny niaraka tamin’ny zanany vao enim-bolana.

« Lanaky ny hanoanana sy ny havizanana ity reniny. Vizana tanteraka izy ka tsy nahatsiaro tena. Nomena sakafo izy avy eo hahazo hery » hoy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Kaomisaria Analamahitsy. « Nandeha tongotra niala tany Andriampamaky ho any Anosizato izahay. Noroahin’ny rafozako izahay. Hamonjy ny fianakaviako any Anosizato aho izao » hoy ny fanazavan’ity vehivavy ity rehefa nahazo aina izy.

« Tena mampalahelo ny tranga tahaka izao. Zava-dehibe tokoa ny fifanampiana amin’ny samy mpiray tanindrazana. Afaka mifanampy tokoa isika vahoaka fa tsy miandry ny mpitondra foana » hoy i Emilie, mponina ao Andranobevava. Naterin’ny Polisy teny amin’ny toeram-piantsonana mihazo an’Anosizato izy mianaka. Tsy nanao soa tapany izy ireo, niantohany hatramin’ny saran-dalana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire