Atsinanana : Sarotiny amin’ny fahasalamam-bahoaka ny mpitandro filaminana
Niparitaka manerana ny tanàna ny mpitandro filaminana any amin’ny faritra Atsinanana nanomboka Omaly. Mampanaja ireo fepetra sakana ara-pahasalamana manoloana ny fiparitahan’ny aretina coronavirus eny amin’ny toerana be olona izy ireo.
« Aparitaka manerana ny tanàna ny mpitandro filaminana. Hanara-maso ny fanajana ireto fepetra ara-pahasalamana napetraka indrindra ny tokony hanaovana arovava sy ny elanelana » hoy ny ivon-toeram-pibaikoana misahana ny covid-19 any amin’ny faritra Atsinanana. « Hisy fanasan-tanana ho apetraka manoloana ny biraom-panjakana sy ny orinasa tsy miankina rehetra ary any amin’ny tobim-piantsonana. Hisy ihany koa ny famendrahana ranom-panafody » hoy ny tompon’andraiki-pahasalamana any an-toerana.
« Tsy ny mpitandro filaminana no hanaovana arotava. Saro-piaro amin’ny fahasalaman’ny vahoaka izahay. Ho hentitra ny fampanajana ireo fepetra manomboka izao » hoy ny mpitandro filaminana. Mihamafy ihany koa etsy an-kilany ny fanentanana amin’ny fanaovam-baksiny.
Tsy ny mpitandro filaminana tokoa no mampatahotra fa ny aretina hiparitaka. Tokony hahay hiaro tena sy hiaro ny hafa ny tsirairay.
Nicole Rafalimananjara
