ActualitésTatitra

Ukraine : Maherin’ny 2 100 no maty tao Marioupol hatramin’ny niandohan’ny fanafihana

Hatramin’ny nibodoan’i Russie an’ny tananan’i Marioupol ao atsimo atsinanan’Ukraine dia misedra fahasariranana ireo olona mbola ao an-toerana. Tsy manana rano fisotro sy sakafo hoanina intsony izy ireo.Tao anatin’ny andro vitsivitsy ihany koa nefa dia vao maika nihamafy ny fidarohana baomba ny tanana. Nilaza ny ben’ny tanana tao an-toerana fa ninia ary tsy nanana hantra nidaroka baomba trano fonenana sy faritra be mponina i Russie. Nandrava hopitalin’ankizy sy fotodrafitr’asa maro izy ireo hoy izy.Raha ny tatitra ny 13 martsa teo kosa dia olona 2 187 no maty tao Marioupol hatramin’ny fanafihan’i Russie ny 24 febroary teo.

Laisser un commentaire