ActualitésTsidika

Toamasina : Nahatratrana mpangalatra indray

Tovolahy iray no tratra nangalatra finday tao Salazamay Toamasina ny marainan’ny sivy ambin’ny folo aogositra. Nifanenjehana ity mpanendaka ity ka izao tratra izao ary voalaza fa efa rain-dahiny amin’ny famakiana trano ihany koa izy io raha araka ny angom-baovao.

Miaina ao anatin’ny tsy fandriam-pahalemana tanteraka i Toamasina. Herinandro izay nahitana tranga foana tao an-toerana ary tsy mifidy toerana angalarana intsony mihitsy ireo mpanao asa ratsy ireo, efa nisy mihitsy aza ny fitarainana nataon’ireo mponina amin’ny firongatry ny mpangalatra sy mpanendaka teo aloha.

« Matahotra sy mailomailo be foana aho rehefa andeha hamonjy ny tsena satria betsaka loatra ny olom-pantatra no voaendaka sy maratra mihitsy aza amin’izao. Na andro atoandro aza tsinona dia sahy manao ny asa ratsiny ireo mpangalatra » hoy Ravao, mpivarotra eo Salazamay. Tsy mbola re feo mihitsy ny zandary sy polisy eny an-toerana hatreto manoloana izao tranga niseho matetika izao. Andrasana kosa ny fanehoan-kevitry ny Ministra vaovao momba ity tsy fandriam-pahalemana ao Toamasina ity.

Mitaintaina ny mponin’ny Toamasina, matahotra raha hivoaka ny trano: izay no hita amin’ny tatitry ny mponina. Mila jeren’ny Fanjakana akaiky ny fitarainan’ny mponina tahak’izao. Rehefa tsy mahafehy ny asany ny mpitandro filaminana ao an-toerana, azo atao tsara ny manoro sy manampy azy ireo. Ny projet Miami mandeha ihany kanefa ny mponina tsy mandry am-pahalemana. Inona tokoa no tena laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire