Ambohimangakely : Mazda iray tapaka hisatra niteraka lozam-pifamoivoizana
Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny akaikin’ny toeram-piantsonana, antsoina hoe fasan’i Ravoalavo, Ambohimangakely, ny alarobia teo. mazda iray no tapaka hisatra ka nifandona tamin’ny fiara an’ny fampianarana momba ny familiana, araka ny voalaza.
« efa avy any ambony avy any ity mazda ity no tapaka hisatra ka nifandona tamin’ity fiara nentin’ny mpianatra momba ny familiana. Azo lazaina tsara vintana ihany ilay mpamily satria raha tsy nisy ireo fiara nijanona mety ho loza be no nitranga teto » hoy i Andry, nanatri-maso ny loza.
« Izao no vokatry ny fahampian’ny fanaraha-maso ny fiara sy ny pitsopitsony ara-teknika ao anatiny. Ny hafa no lasa mizaka ny vokany. Ankoatra izay, samy tomponandraikitra avokoa ny rehetra na ireo mpampianatra sy tan-tsoroka ny mpianatra na ny mpamilin’ilay fiara mazda satria fivilianana ity toerana ity » hoy i Tiavina, mponina ao Ambohimangakely.
Ny aina tsy ananam-piry, ary ny tsy fitandremana kely dia mety hiteraka fahavoazana ho an’ny hafa, na ara-batana na ara-tsaina. Ilaina hatrany araka izany ny fahamailona sy ny fitandremana, hisorohana ny tranga tahaka izao.
