Australie : Mpitrandraka iray maty, 29 avotra soa aman-tsara tao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena
Mpitrandraka volamena iray no namoy ny ainy, iray hafa no naratra ary mpitrandraka 28 hafa no avotra soa aman-tsara, noho ny fianjeran’ny ampahan’ny toeram-pitrandrahana volamena iray tany amin’ny faritr’i Victoria any atsimo atsinanan’i Australie, ny alarobia teo. Nahazo antso ny sampana vonjy taitra tany an-toerana, ny alarobia, fa nisy fianjerana tao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena tao amin’ny tendrombohitr’i Mount Clear, akaikin’ny tanànan’i Ballarat (125 km any andrefan’i Melbourne). Tao anatin’izay, dia mpitrandraka iray 37 taona no lasibatra vokatry ny fianjeran’ny vato taminy. Omaly alakamisy maraina vao tafavoaka tao ny vatan’ity mpitrandraka ity. Tsy misy ahiana ny fahasalaman’ireo 28 hafa saingy manaraka fitsaboana kosa any amin’ny hopitaly ilay iray naratra mafy.
