Zava-dehibe ny fiomanana amin’ny loza voajanahary.
Anisan’ireo faritra marefo amin’ny loza voajanahary ny Faritra Sofia indrindra amin’ny resaka rivo-doza. Tsy hipetra-potsiny manoloana izany anefa ny Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes na ny BNGRC eto Madagasikara fa nandray fepetra manoloana izany. Natsangana araka izany ny tambazotra ara-tserasera hitantana ny loza sy ny tandindon-doza mba hahafahana miomana mialoha, mandritra ary aoriana ny tranga. Tsy ny rivo-doza ihany no voasoroka ara-potoana fa eo ihany koa ny tondra-drano, ny haintrano sy izay loza ahiana hiseho rehetra. Izay tsara fiomanana rahateo tsy tampohin’ny loza hoy ny Tompon’andraikitrin’ny Serasera ho an’ny vondron’olona avy eo anivon’ny BNGRC, Felana Ralisaona. Mbola azo lazaina fa anatin’ny vanimpotoana ny rivo-doza tokoa isika amin’izao ka tena ilaina ny miomana mandrakariva amin’izany. Efa miezaka ny tompon’andraikitra isan-karazany fa eo ihany koa ny andraikitra miandry ny vahoaka mandritra izany. Ny tany Sofia aloha no voakasiky ny tetik’asa koa aoka hiatrika ny loza am-pilaminana isika manerana ny loza raha tonga izany.
Nicole Rafalimananjara
