Nouvelle-Zélande : Solombavam-bahoaka iray nandeha bisikileta nandeha niteraka
Depioten’i Nouvelle-Zélande mpiaro ny tontolo iainana tanteraka na « écologiste » i Julie Anne Genter. Nandeha niteraka tany amin’ny hopitaly tamin’ny fitaterana nahazatra azy izy ny alahady teo na dia teo aza ny toe-pahasalamany.Tena tia bisikileta ity depiote teratany amerikanina ity. Tsy vao voalohany izy izao nandeha bisikileta nandeha niteraka izao. Efa toy izany ihany koa ny nankanesany tany amin’ny hopitaly tamin’ny taona 2018 rehefa niteraka ny zanany voalohany izy.
