ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Nifarana ny lalao baolina kitra ady omby mifahy

Nofaranana ny 12 jona teo ny lalao baolina kitra ady omby mifahy nokarakarain’ny ben’ny tanàna tao amin’ny Kianja Herisetra Rafanodina Sabotsy Namehana. Ny Fokontany Botoana sy ny Fokontany Ambohinaorina no niady ny famaranana. Nibata ny fandresena tamin’ny isa 1 noho ny 0 ny avy ao Ambohinaorina.

« Tamin’ny fizaram-potoana faharoa no nahafaty baolina ny avy ao amin’ny Fokontany Ambohinaorina. Fanomezana marolafy, toy ny omby mifahy, fanamiana enti-manao baolina kitra, lela vola, ary amboara maro no natolotra ho an’ireo mpandray anjara » hoy ny ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana, Andriamosa Avotraina. « Mankasitraka ny ben’ny tanàna tamin’izao fampifaliana ny mponina izao. Nahafinaritra ny lalao, ary tsy vitsy ny olona tonga teto » hoy i Andry, mponina ao Sabotsy Namehana.

Marihina fa nandray anjara tamin’ity lalao ity ireo fokontany 17 ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Miroborobo tokoa ny tontolon’ny baolina kitra ao sabotsy Namehana.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire