ActualitésTsidika

Fitiavan-tanindrazana : Tokony aseho isan’andro ny firaisan-kina

Fotoana tokoa izao hanaporofoana ireo kolontsaina sy soatoavina napetraky ny Ntaolo. Fianakaviana iray isika. Tokony hiray hina hampanjaka ny fihavanana sy ny fifanajana.

« Maro ny tra-boina. Betsaka ny afaka manampy. Tsy voatery hiandry ny fanjakana foana isika » hoy i Diary, mpitarika fikambanana iray. « Marika hanehoana ny fitiavana ny firenena ny fifanampiana sy ny firaisan-kina. Ny erikerika mahatodra-drano. Ny fanampiana avy amin’ny tsirairay mety hanavotra ain’olona maro » hoy i Vonjy, manam-pahaizana mikasika ny fiarahamonina.

« Tsy vitanay olom-boafidy samirery ny fampandrosoana ny firenena. Mila antsika hiara-hientana hanandratra ambony ny firenena » hoy ny solombavambahoaka iray. Miakatra ny rano eny ami’nny faritra iva, mitombo ny tsy manan-kialofana. Mihotsaka ny tany eny amin’ny faritra avo, mitombo ny tsy manan-kaleha. Azontsika tsara ny mifanohana hanaporofoana fa tiantsika ny firenentsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire