ActualitésTatitra

France : Toerana miavaka ny « Rochers sculptés de Rothéneuf »

Eo anelanelan’ny Saint-Malo sy Cancale ao Bretagne no ahitana ny « Rochers sculptés de Rothéneuf ». Toerana miavaka izy io izay ahitana sary sikotra maro nameho ny « art brut » izany isan’ny malaza indrindra ao Bretagne.

Tany amin’ny faran’ny taona 1894 hatramin’ny taona 1907 no namboarain’ny Mopera Julien Fouéré antsoina hoe Abbé Fouré io toerana io. Nanatontosa ny asa fanompoany nifanesy tao Paimpont, Guipry, Forges-la-Forêt, Maxent ary Langouët io pretra io. Rehfa niala teo amin’ny toeran’ny rektiora tao Langouët izy dia niasa ho pretra tsotra tao Rothéneuf, 5 km miala an’i Saint-Malo.

Nanomboka teo izy no nanao sary sikotra. Ireo vatolampy granita mbola nifantsika tamin’ny tany no niasany ary tao anatin’ny 13 na 14 taona teo dia nahavita sary sikotra teo amoron’ny ranomasina manodidina ny 300 isa izy izay lasa toerana be mpitsidika amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire