Mozambique : Makua, iray amin’ireo teny ao an-toerana
Fitenin’ny Bantoue ny « Makua » izay teny mbola ampiasana ao Mozambique. Mampiasa azy ihany koa i Tanzanie, Malawi ary République du Congo. Olona manodidina ny 6 tapitrisa no mampiasa io fiteny io izay mitsinjara efatra. Voalohany ny « Chirima », fampiasa ao Mozambique, ao amin’ny faritanin’i Niassa sy ny « Koti » ampiasaina ao faritanin’i Nampula ary ny « Lomwe » ampiasaina ao amin’ny faritanin’i Zambézia sy faritany atsimon’i Nampula. « Makoua » kosa ny farany izay miasa ao amin’ny République du Congo ihany koa.
Marihina fa misy hifandraisany amin’ny Makua ao Mozambique ny Makoa eto Madagasikara izay taranak’andevo Bantous avy tao Mozambique nafaran’ireo mpivarotra andevo teot Madagasikara tamin’ny taonjato faha-18.
