Pays-Bas : Nandresy an’i Ukraine i Pays-Bas tamin’ny Euro
Notontosaina omaly tany Amsterdam ny fihaonana teo amin’i Pays-Bas sy i Ukraine ho amin’ny Euro 2021. Nitana ny lohalaharana hatrany ny tompon-toerana ka nandresy 3 noho ny 2 an’i Ukraine. Ity no andro volaohany ho an’ny fifaninana tao amin’ny vondrona C nisy an’izy ireo. I Georginio Wijnaldum (52e) sy i Wout Weghorst (59e) no nampiditra ny baolina roa raha I Denzel Dumfries no nisantatra ny isa volaohany ho an’I Pays-Bas. Testy an-kilany kosa dia i Andriy Yarmolenko (75e) sy i Roman Yaremchuk (79e) no nampiditra ny baolina roa ho an’i Ukraine. I Autriche indray no hiantrika an’I Pays-Bas amin’ny lalao manaraka izay atao any Amsterdam ihany. Tsiahivina hatrany fa firenena 24 no handray anjara amin’ity EURO 2020 ity ka any amin’ny firenena 11 no hanaovana ny lalao. Miisa 6 ny vondrona amin’izan k any roa tsara isa isakin’ny vondrona sy ny efatra mahery amin’ny “troisième” no hiakatra any amin’ny lalao am-pahavalon’n famaranana.
