ActualitésTatitra

Belgique : Fitsidihana ataon’i Joe Biden

Tonga tany Bruxelles any Belgique ny filoham-pirenena any Etats-Unis omaly Alahady 13 Jona teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany an-toerana. Ny Praiminisitra any Belgique, Alexander De Croo no tonga nitsena azy tamin’izany notronin’ireo solontenan’ny raharaham-bahiny sy ny masoivoho amerikanina any Belgique sy oreo eo anivon’ny OTAN ary ny Union Européenne. Vao vantany vao vita ny seram-piaramanidina izy ka noraisin’ireo ao Belgique dia namonjy avy hatrany ny Ambasadin’I Amerique any an-toerana ary any ho hipetraka mandra-pandehanany indray. Androany altsinainy izy dia hitsidika ny toerana misy ny OTAN any Evère ary hamonjy ny fihaonana eo amin’ny Union Européenne sy I Etats-Unis. Ny talata kosa dia hivory any amin’ny lapan’ny mpanjaka izy miaraka amin’ny Sekreteram-panjakanan’i Amerique, Anthony Blinken ka hihaona amin’ny solontenan’ny mpanjaka Philippe sy ny Praiminisitra ary ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Sophie Wilmès. Horesahan’izy ireo mandritra izany ny coronavirus sy ny toetr’andro. Hisy araka izany ny fitohanana eo amin’ny resaka fifamoivoizana mandritra izany roa andro izany any Bruxelles.

Laisser un commentaire