Etats-Unis : Mikasa handroaka mpiasa 11 000 isa ny Meta
Nilaza i Mark Zuckerberg fa hahenanany 13% ny mpiasa ao amin’ny Meta, orinasa renin’ny Facebook sy Instagram. Raha tsiahivna dia efa nampiomana izy talohan’io fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny 9 novambra teo io.
Raha ny fantatra dia mpiasa manodidina ny 11 000 isa na 13% no hoasorina amin’izany. Marihana fa efa miha mtotongana ny Meta amin’izoa fotoana. Tao anatin’ny herintaona monja dia very « capitalisation boursière » 600 miliara dollars ny orinasa.
Hatramin’ny fiandohan’ity taona ity dia nihena ny mampiasa ny tambajotra sosialin’izy ireo. Nanambara i Mark Zuckerberg tamin’ny fiandohan’ny volana oktobra teo fa tsy tomombana ny tontolo « macro-économique » ny orinasa ary mitombo ny mpifaninana.
