ActualitésTsidika

Famoronana tetikasa fanentanana momba ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro

Miantso ny ONG na fikambanana tanora, Oniversite na ireo vondron’olona miaina ny fiatraikan’ny toetr’andro mba hamorona tetik’asa fanentanana momba izany ny masoivohon’i Grande Bretagne eto Madagasikara sy ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Izany dia atao amin’ny alalan’ny hetsika isan-karazany izay tsy maintsy mifanaraka amin’ny politikam-pirenena momba ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.

« Tanjona ny hampitombo ny fanentanana manodidina ireo asa goavana miandry amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro sady mampahafantatra ny maha zava-dehibe ireo fepetra fanalefahana sy fampifanarahana izay ahitana ireo vahaolana mifototra amin’ny natiora » hoy ny Ministra, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. « Ny volana oktobra no hanolorana ireo tetik’asa mialoha ny COP 26 izay atao any Glasgow ny fiandohan’ny volana novambra. Fifaninanana no atao izay hahazoana famatsiam-bola mitentina 32 657 391 MGA izay natokana ho an’i Madagasikara sy Comores » hoy kosa ny masoivohon’i Grande-Bretagne miasa eto amintsika.

Isan’ireo sahan’asa azo atao amin’izany ny fikarakarana hetsika fanentanana, ny fampahafantarana-fanabeazana ary serasera momba ny fisorohana ny covid 19, ny fanentanana amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy sy ny haino vaky jery, ary koa ny fanetsehana olo-malaza izay atao tompon-dakan’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro. Atao hita taratra anatin’ny asa ihany koa ny miralenta. Tombontsoa iombonana ny fandraisana anjara amin’ny ady ho amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny fiainantsika zanak’olombelona mihitsy no tena vokasik’ity raharaha ity koa raha misy azontsika haroso dia aza misalasala maneho izany. Ny 16 aogositra izao no fara-fandraisana ireo tolotra tetik’asa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire