ActualitésSocialTsidika

Masindray: Nisehoana trangana “désossage” tao amin’ny fokontany Faliarivo

Manamboka indray ny trangana tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Masindray. Ny faran’ny herinandro teo, nisehoana trangana “désossage” tao amin’ny fokontany Faliarivo.

“Anisan’ny asan-jiolahy mampivarahontsana sy mampitaraina ny mpiompy ety ambanivohitra ny désossage na ny fangalarana omby ka hakana manta ny henany. Tsy vao izao no nisehoan’izany fa efa hatramin’ny ela ary kaominina maro no efa nitrangan’izany. Ny hany azo ataon’ny mponina dia miambina sy mailo ary manao antso vonjy amin’ireo manam-pahefana” hoy i Vonjy, mponina ao Masindray.

“Mila mandray fepetra ireo tomponandraikitra manoloana ny tsy fandriampahalemana amin’izao. mila averina ny fiambenana, ny andrimasom-pokonolona sy ny fisafoana ataon’ny zandary satria mitaintaina ireo mponina. Ary tokony hamafisina ny fanentanana amin’ny resaka fandriam-pahalemana fa mandry tsy lavo loha ireo mpoimpy” hoy i Feno, mpiompy.

Manoloana ny tranga izao moa dia mangataka ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana ny mponina ao an-toerana ka hampiatra ny fandraràna na famerana ny fivezivezena amin’ny alina (couvre feu) ho fiarovana ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire