ActualitésTatitra

Maurice : Hanatsara ny fifandraisany ara-barotra amin’i Chine

Misy delegasion’i Chine tonga ao amin’ny nosy Maurice amin’izao fotoana. Nivory niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka tao an-toerana tao Caudan Arts Centre ao Port-Louis izy ireo omaly 30 aogositra. Tafiditra ao anatin’ny fivoriana voalohany miaraka amin’ny Mauritius-China Free Trade Agreement Joint Commission izany raha ny fanamafisana.

Io komity io miantoka ny fampiharana ny FTA (Free Trade Agreement). Raha ny namabaran’ny talen’ny International Trade ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, Sunil Boodhoo kosa dia hisy ny fanatsarana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Nanamafy ny masoivohonn’i Chine, Liying Zhu fa fotoana iray nahafahana nanao jeri-todika ny fifanarahana ara-barotra malalaka teo amin’i Maurice sy Chine io fihaonana io.

Laisser un commentaire