Niakatra ny taham-pahafahana tany Fianarantsoa
03 Septembre, 10:00. Efa nivoaka ny 2 septambra teo ny valim-panandinana Baccalauréat tao Fianarantsoa. Nahatratra 60,44% ny taham-pahafahana raha 60,52% ho an’ireo baccalauréat ankapobeny. Nihatsara kokoa raha mitaha ny tamin’ny herintaona ny valim-panadinana satria 44,85% ny tamin’ny taon-dasa.
