ActualitésTatitra

Maurice : Firenena faha-6 manan-karena indrindra aty Afrique

Tafiditra ao anatin’ireo firenena 6 voalohany manan-karena indrindra aty Afrique ny nosy Maurice raha ny tatitra navoakan’ny Africa Wealth Report. Voalohany ao amin’io lisitra io i Afrique du Sud izay manana mpanefoefo 37 800 isa (millionnaires en dollars). I Egypte (16 100) kosa no eo amin’ny laharana faharoa, i Nigéria (9 800) no laharana fahatelo, iKenya (7 700) no manarakaraka azy, i Maroc (5 800) ary ny nosy Maurice (4 900).

Mitentina 48 miliara dollars kosa ny fananan’ireo tena mpanefoefo indrindra ao Maurice raha ny fanazavana. Niakatra 4 900 isa ny isan’ny mpanefoefo voalaza fa mitoetra ao an-toerana amin’izoa fotoana raha latsaky ny 3 000 izany tamin’ny folo taona lasa. Heverina fa hitombo 8500 kosa izany amin’ny taona 2032.

Marihana kosa fa i Afrique du Sud, Égypte, Nigeria, Kenya ary Maroc izay antsoina ihany koa hoe « Big Five » dia misahana ny 56 % ny haren’ny kaontinanta.

Laisser un commentaire