Royaume-Uni : Mampanahy ihany ny hanaovana ny lalao famaranana amin’ny Euro any Wembley
Tany amin’ny kianjan’i Wembley any Royaume-Uni no nanatanterahana nv lalao nihaonan’i Angleterre sy i Croatie ny 13 jona lasa teo. Ary efa nivoaka ihany koa ny feo fa any amin’io kianja io ihany no hanaovana ny lalao famaranana amin’ny Euro. Any tokoa ve no hotanterahana izany ? Hoy ny tompon’andraiki-panjakana avy any amin’ny firenen-kafa. Nametraka ahiahy mantsy ny Praiminisitra any Italie ny amin’ny fiparitahan’ny aretina any Agleterre amin’izao. Ny 11 jolay izao no hanatanterahana ny lalao famaranana ary any aùmin’ny kianjan’i Wembley no hanaovana azy. Nametraka izany ahiahy izany anefa ny filoham-panjakana any Italie, Mario Draghi, nandritra ny fihaonany tamin’ny Chancelier any Allemagne satria tena manjaka tokoa ny Variant Delta any amin’ny firenena. Ny zoma lasa teo ihany koa ny Praiminiistra Britanika dia nanamafy fa ny fahasalaman’ny vahoakany aloha no laharam-pahamehana ho azy noho ity lalao ity. Mety hisy araka izany ny fiovana.
