ActualitésTsidika

Filaharana laser maitso eo Behoririka

Malaza dia malaza arendrina misy jirojiro sy manenonemo rehefa vanim-potoana fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena toy izao. Ny laser maitso indray no nalaza mahaliana ny ankamaroan’ny olona ankehitriny na lehibe na kely. Vao mangiran-dratsy androany dia efa nahita olona maro be nifanitsa-kitro sy nilahatra amin’iny Behoririka iny.

« Izahay izao efa tamin’ny 3 ora sy sasany no niala tany aminay andeha hividy an’ilay jiro kely mitsilo alavitra ireny, dia izao mbola eto izao » hoy mpanjifa iray teny an-toerana. Efa nanomboka tamin’ny telo ora maraina mantsy ity filaharana ity araka ny vaovao azo. Mahatratra 15 km ny hazavana tarafin’ity laser ity matanjaka lavitra noho ny laser mena. Manodidina ny 30 000 ariary ny vidin’izany, izay tsy nataon’ireto mpividy ireto sakana mihitsy. Hita taratra amin’izao ny fitiavan’ny Malagasy ny zava-baovao sy ny fetim-pirenena.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire