ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mitohy ny fisoratana anarana hianatra ny taranja « échecs » ao amin’ny BTC

Mampisokatra saina, mampitombo ny fifantohana ny filalaovana « échecs », maro dioa maro ireo vokatsoa amin’ny filalaovana ity taranaja iray ity. Ny teknika ampiasaina amin’ny filalaovana azy ity dia efa anisan’ny mampitombo ny asa saina ary mampivoatra amin’ny azsa tiana hatao satria mila mitady fomba foana hitifirana ny fahavalo kanefa mila miaro tena ihany koa.

Nanokatra « club d’échecs » ary ny BTC Ambohimangakely ka isaky ny sabotsy aminy 9ora maraina ka hatramin’ny 3ora hariva izany no fihaonana eny Ankadilalana Ambohimangakely. Ny fandaharam-potoana amin’izany dia isaky ny maraina ny fampianarana izay arahana « combat libre » izany ny tolak’andro. Efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny pejin’ny BTC na amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina.

Ireo ankizy no tena hentanina hiditra amin’ity sehatra ity fa tsy ambakan’izany ihany koa anefa ny olon-dehibe sy ireo tanora. Dieny vao kely ny ankizy dia efa tsara hampianarina zavatra maro hahafahany mahafantatra ny talentany mba hisy asany foana ny saina satria mahatonga fihanahanana rehefa tsy miasa ny saina.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire