Cameroun : Grenouille goliath, sahona lehibe indrindra eto an-tany
Karazana sahona « amphibiens » ao amin’ny fianakavian’ny « conrauidae » ny « grenouille goliath », antsoina ihany koa hoe « grenouille géante ». Omena ny anarana siantifika hoe « conraua goliath » io sahona io, izay voasokajy ho sahona lehibe indrindra eran-tany.
Mirefy 30 cm eo ho eo ny « grenouille goliath » ary milanja eo ho eo amin’ny 3 kg. Marihina fa tsy mitovy amin’ny karazana sahona lehibe « litoria infrafrenata » ny « grenouille goliath ». Ao atsimo andrefan’i Cameroun no tena ahitana ity farany, misy azy ihany koa ao Guinée équatoriale saingy mbola tsy azo antoka ny fisiany ao Gabon.
