Avaradrano : Ny fandaharam-potoana amin’ny lalao fifaninanana basket-ball atao eo amin’ny distrika
Miditra amin’ny herinandro faharoa hanatanterahana ny lalao ara-panatanjahan-tena, eto amin’ny distrika Avaradrano, amin’ny taranja Basket-ball. Eny amin’ny kianja filalaovana EPP Miadana no hanatanterahana izany ny sabotsy izao, raha eny amin’ny Spen Tana Bypass kosa ny andro Alahady.
“Mahasika ny fandaharan-dalao mandritra ny faran’ny herinandro moa; ho an’ny sabotsy 16 septambra, hisantatra ny kianja, amin’ny 09ora sy sasany maraina, eo amin’ny sokajy lehilahy ny kaominina Ankadikely Ilafy sy kaominina Alasora. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, ny kaominina Anakadikely Ilafy hifaninana amin’ny kaominina Talata Volonondry. Ankoatra ireo mandray anjara ihany koa ny kaominina Anjeva, Sabotsy Namehana, ary Ambohimangakely” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara ny lalao.
“Ho an’ny andron’ny alahady, izay atao eny amin’ny kiana Spen Tana Bypass moa, hanomboka amin’ny 09ora sasany hatrany, eo amin’ny sokajy lehilahy, Ambohimangakely hifaninana amin’ny Alasora, eo amin’ny sokajy vehivavy kosa , ny ekipan’i Talata Volonondry hifaninana amin’ny Sabotsy Namehana. hamarana ny lalao amin’ny 03ora hariva ny lalao eo amin’ny sokajy lehilahy hifanandrianan’ny Anjeva sy Ankadikely Ilafy. hoy hatrany ny fanazavana.
Hamafisina ny fanentanana ny rehetra, ho avy hanatevin-daharana hanohana ireo ekipa tsirairay avy mandritra ireo lalao izay hitranga satria hery lehibe ho an’ny mpilalao izany. Ireo ekipa izay efa vonona tanteraka amin’izao fotoana.
Manitra R.
