Tanjombato : Sekoly iray nakaton’ny vadintany, tsy afaka nianatra ireo mpianatra
Sekoly iray tsy miankina amin’ny fanjakana, eny Tanjombato, no voatery nanatsahatra ny fampianarana, telo andro izao, rehefa navoakan’ny vaditany ireo entana tao an-dakilasy sy ireo mpianatra tao an-toerana. Tsy fahaloavan’ny tomponandraikitry ny sekoly ny hofan-trano no antony namoahana azy ireo tamin’ny toerana. Tsy afaka nanohy ny fampianarana araka izany ny sekoly satria nofantsihan’ireo vaditany tonga teny an-toerana ny varavarana.
