ActualitésTsidika

Mpitrandraka volamena noesorina tao amin’ny Covaf

Faritra arovana ny Covaf ao Ivohibe. Nidina teny an-toerana ny Brigade mixte izay notarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy Fandrosoana Lovainjafy Ihorombe ijery ireo olona nikasa hanao fitrandrahana volamena. Nampahafantarina azy ireo ny lalàna mifehy ny faritra arovana ary noraràna tsy iditra tao amin’ny ala ireto mpitrandraka avy any amin’ny fokontany Sakaroa sy Mpiavy.

Natsangana niaraka tamin’ireo mponina any an-toerana ny fitsipika sy dina iraisan’ny fokontany sy ny lonaka tsy fahazoana mikitika ity faritra arovana ity. Vonona ny hiaro ireo harena ireo ihany koa ny mponina ao an-toeranaaraka ny nambarany, miara-miasa hatrany amin’ny mpitandro filaminana izy ireo.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire