ActualitésTsidika

Business Forum Régionaux : Hampahazoana laka ny orinasa mahakasika ny sakafo tamin’ity andiany tao Toamasina ity

Tao Toamasina indray no nanatanterahana ny Business Forum Régionaux andiany faharoa. Nahazo laka ny adihevitra sy ny fomba hampiroboroboana ny orinasa mahakasika ny sakafo (agro-industrie). Nanokanana fotoana manokana mihitsy ny mahakasika ny lohahevitra hoe « orinasa agro-industriel : fanohanana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ». Maro ireo nandray anjara tamin’ny adihevitra sy nikaro-bahaolana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo manerana ny Nosy.

« Anisan’ny azon’ny faritanin’ny Toamasina hatao ny manangana orinasa ahafahana manampy ireo hianjadian’ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny faritra hafa. Mbola maro no azo trandrahina amin’ireo toe-tany sy toetr’andro hahafahana mamokatra zavatra isan-karazany, ary betsaka. Anisan’ny azon’ity faritra ity hatao ihany koa ny manampy amin’ny fanatrarana ilay vina amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo », hoy ny avy ao amin’ny EDBM tamin’ny fanazavany ny maha-zava-dehibe ity lohahevitra ity.

Ilaina ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ireo hetsika tiana hotanterahina amin’ny fanatrarana ireo tanjona maron be ireo ka izany idnrindra no anton’ny fisian’ny ady hevitra hikaroham-bahaolana. « Ny fahamafisam-pahalalana ho an’ireo tantsaha mpamokatra izao no tena zava-dehiba indrindra tokony ho laharam-pahamehana. Eo ihany koa ny famiroboroboana ny vokatra vita Malagasy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa isan-karazany. Tsy vitan’ny mpisehatra ao anatin’ny faritra irery anefa izany ka izay indirndra no ilaina ireo mpisehatra vaovao rehetra », hoy ny solontenan’ireo mpandray anjara.

Maro ireo hevi-dehibe nifampiresahana mahakasika ity sehatra ity. Hahafahana manatratra ny tanjona amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ilaina araka izany ny mampitombo ny vokatra sy mampiakatra ny fomba fiasa. Ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra anefa no hahafahana manatratra izany tanjona lehibe izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire