ActualitésTatitra

Etats-Unis : Mbola hilatsaka kandidà ho amin’ny fifidianana taona 2024 i Joe Biden

Nanao fanambarana ny filohan’i Etats-Unis amin’izao fotoana Joe Biden fa mbola ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2024 ny tenany. « Andao ho tohizana ny asa » hoy izy sady nanantitranterina fa mbola mitohy ny tolona ho an’ny fahalalahana sy ny demokrasia.

Efa manitsaka ny faha-80 taonany i Joe Biden, nilaza nefa izy ny talata teo fa mbola vonona hifandrina amin’i Donald Trump, 76 taona. Isany lesoka ity filoha ity nefa io taonany io raha ny fanazavana. Tsy mbola nisy filoha nofidiana teo amin’ny taonany ary tsy mbola vonona ny hanomena ny lakile ny « Maison Blanche » ho azy hatramin’ny faha-86 taonany ny amerikanina raha ny fanadihadiana.

Tsiahivina nefa fa efa nanao fizahana ara-pahasalmana ny filoha Biden ny volana novambra 2021 sy ny febroary 2023 teo ary salama soa aman-tsara ny tenany.

Laisser un commentaire