Fiahiana ara-tsosialy: Nahazo 700 000dolara avy amin’ny PAM indray I Madagasikara.
Nosoniavina ny asabotsy teo ny fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny World Food Programme sy ny Minisiteran’ny Mponina mandritra ny 4 taona, izany hoe hatramin’ny taona 2028. Fiaraha-miasa izay entina hanampiana ny Malagasy rehetra. Mitentina 700.000 dolara izany ho amin’ity taona ity. Vola miovaova isan-taona ao anatin’io 4 taona fiaraha-miasa io. Zaraina ho an’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary koa ny minisiteran’ny Mponina. Samy manana andraikitra amin’ny fiarovana ara-tsosialy manerana an’i Madagasikara avokoa ireo minisitera ireo. Noho izanyfifanarahana izany, misy ny fandaharan’asa vaovao hanatrarana ny tanjona amin’ny fampandrosoana.
“Distrika rehetra manerana ny Nosy araka izany dia hahazo tombontsoa amin’ny fiarovana ara-tsosialy avokoa. Ity fifanarahana eo amin’ny amin’ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena rehetra momba ny fiarovana ara-tsosialy ity dia ho vaovao sy hahomby kokoa”, hoy i Ghisbert Rivomanana, Talen’ny Fiarovana ara-tsosialy eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina.
Ankoatra io sonia io fifanarahana fiaraha-miasa io dia nisy ihany koa ny asa fakan-kevitra hanatsarana ny paikadin’i Madagasikara eo amin’ny lafin’ny fepetra fiarovana ara-tsosialy izay nokarakaraina niaraka tamin’ny fandraisan’anjaran’ny Minisitera sy ny PAM
« Tanàna maherin’ny 1 500 000 no efa nahazo tombontsoa tamin’ny fiarovana ara-tsosialy manerana an’i Madagasikara», hoy i hatrany ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina. Ny asa diahitohy ho an’ny fianakaviana hafa sy ny Distrika hafa. Ity fifanarahana ity dia haharitra hatramin’ny 2028 ary hisokatra ho an’ny vahoaka malagasy rehetra. Hotanterahina amin’izany ny tetikasa « vonjy aina “,indrindra mikasika ny sakafo hamahana olana goavana izay haharitra 24 herinandro. Avy eo manaraka izany ny tanjona maharitra mahatratra 3 ka hatramin’ny 4 taona. Ireo hetsika lehibe ireo noho izany no miandry ny PAM amin’ny fanaovana sonia ity fifanarahana ity. Ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina ihany koa dia manamafy fa “io vola io dia omena ho fanomezana. Tsy hamerina izany ny Malagasy »
Miora Raharisolo
