Varotra : Niova ho « Super U » ny tranombarotra lehibe « Shoprite » teo aloha
Dépêche 11 novembre, 11h30, Volana maromaro izay no nanambara ny orinasa Shoprite fa hiala tsy hivarotra eto Madagasikara intsony. Efa firenena maromaro no nialany noho ny antony samihafa. Taorian’izay anefa dia noraisin’ny vondrona Habibo ny orinasa navadiny ho « Super U ». Ny anaran’ny tranombarotra no nisy fiovana sy ny mpitantana azy fa saingy kosa ny tolotra dia mitovy ihany. Ny « Shoprite Analakely » no nanombohana izany fanovana izany ka manomboka izao dia « Super U » noho izany no hiantsoana ity tranombarotra ity.
