Fanatanjahantena: Hisolo tena an’ny Madagasikara amin’ny BAL ny COSPN
Hanainga ho any Afrika Atsimo ny COSPN izay hisolo tena ny Madagasikara amin’ny Ligue Africaine de Basket Ball na ny BAL izany. Ao Cape Town no hanatanterahana izany ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra izao. Miaraka vondrona amin’ny NBA Academy, ny Ferroviario da Beira an’ny Mozambika, ny Cape Town Tigers an’ny Afrika Atsimo, ny Cobra Sports an’ny Soudan Atsimo, ny Urunani an’ny Burundi, ny City Oilers an’ny Ouganda ary ny Kenya Ports Authority. Izay telo voalohany amin’ireo no ho tafiakatra hiatrika ny dingana famaranana hiaraka amin’ireo ekipa enina efa tafiakatra.
