ActualitésTsidika

Alasora: Nanatanteraka asa fanamboaran-dalana ny kaominina

Omaly alakamisy no nirotsaka an-tsehatra, nanatanteraka ny asa fanamboarana ny lalana ao anatin’ny kaominina ireo mpiasa avy ao amin’ny kaominina. Lalana avy eo Ambohimanandraisoa, fokontany Alatsinainy no nasiana fikojakojana tamin’izany.

« Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny famahana ireo olana eny ifotony, mifandraika amin’ny fiainana andavan’andron’ny mponina, tafiditra indrindra ao anatin’izany ny asa fikojakojana ireo lalana izay hifamezivezen’ny mponina, izay efa hita tokoa ny fahasimbana » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Efa ela ireo mponina eto amin’ny kaominina no nitaraina manoloana ny faharatsian’ny lalana, izay tena mampijaly ireo mpampiasa izany sy ireo mponina mivezivezy, mety hiteraka lozam-pifamoizina ihany koa raha tsy nisy ny fandraisana fepetra, izay hisaorana ireo tompondraikitra ny amin’izany »  hoy i Robert, mponina ao Alasora.

Mbola maro anefa ireo lalana mila fanamboarana ao anatin’ny kaominina, izay mila fanaraha-maso sy fijerevana akaiky. Anisan’ny olana manampy ny fahasimban’ny lalana ny fotoam-pahavaratra tahaka izao, koa raha tsy misy ny fitohizan’ny fandraisana andraikitra, mety hitombo ny fahavoazana ho hita.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire