SocialTsidika

Efa mahazaka gadra miisa 480 ny fonjan’i Imeritsiatosika

Efa mahafeno ny fepetra rehetra, ary afaka mandray voafonja hatramin’ny 480 ny fonjan’Imerintsiatosika manomboka izao. Manao ahoana anefa ny fenitra ? « Fandriana iray isan’olona no hita ao an-toerana amin’ny maha manara-penitra azy » hoy ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, ny inspecteur général d’administration pénitentiaire Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary.

« Miisa 2 hatreto ireo olona tanana ato amin’ny Fonjan’i Imeritsiatosika » hoy ny mpitantana eny an-toerana. « Manaova ny mety ihany rey olona fa mafy ilay migadra, tsy hoe vita tsara ilay izy dia zara aza misy hialofana ho an’ireo tsy manana trano fa hafa mihitsy izany olombelona miaina malalaka anaty fiarahamonina izany » hoy ny fianakavian’ireo voafonja. Tsy mitady namana akory ny antony nanatsarana ny fonja fa kosa na dia voafonja aza mbola manana ny zo fototra maha olona ihany ka tsara raha asiana fikarakarana.

Ny tena iriana aza dia tsy hisy mihitsy ny gadra fa samy iaina anaty filaminana eto isika kanefa tsy izay no zava-misy. Vahaolana tokoa ve ny fanatsarana ny fonja ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire