ActualitésTsidika

Toe-karena : Nihemotra ny fotoam-panombohan’ny fiotazana litchis noho ny toetr’andro

Nihemotra indray ny fotoam-panombohan’ny fiotazana sy ny fanondranana litchis vokatry ny toetr’andro any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo amin’izao fotoana izao. Ny fiovaovan’ny toetr’andro ka niteraka ny fahataran’ny orana no nahatonga izao fihemorana izao indray. Ity fotoam-piotazana ity izay tokony nanomboka ny 15 novambra teo dia mbola nihemotra ho amin’ny fotoana mbola tsy voafaritra.

« Efa nahitana rotsak’orana ihany taty amin’ny faritra atsinanana taty saingy tsy mbola afaka mamaritra ny fotoana tokony hiotazana ny litchis izany satria mila orana ity vonakazo iray ity vao afaka otazana sy hoanina mba tsy hankarary », hoy ny Governoran’ny faritra Atsinanana tamin’ny fanazavana izay natolony.

« Efa vokatra ny litchis saingy miandry orana hono satria tena mbola mamparary kosa aloha ilay izy. Ny olana anefa dia mety ho simba am-pitoerana eny izy ireny ka tsy afaka ho hanina akory fa ho Ariana; Sao hoe misy tokony azo atao ihany mba tsy hahalasa fatiantoka ho anay mpamboly fotsiny izany », hoy i Marcelline, mpamboly litchis avy ao Fénérive Est.

Mety hisy fiantraikany amin’ny kalitao sy ny habetsaky ny vokatra anefa ity fihemorana lava ity na dia efa maherin’ny 500 ary ireo mpandraharaha nametraka taratasy hisehatra amin’ny fanondranana sy famadihana ity voankazo ity. Tsara ny mihinana voankazo isan’andro ary tsara kokoa raha vokatra Malagasy izany mba ho tombontsaon’ny rehetra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire