PolitiqueTatitra

République du Congo : Namafisin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ny fandresen’ny filoha voafidy Denis Sassou Nguesso.

Nohamafisin’ny filohan’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ny fandresen’ny filoha Sassou Nguesso ny talata 06 febroary lasa teo. Nanambara ny maha voafidy ara-dalàna ity filoham-pirenena vaovao ity izy ireo na teo aza ny fanitsiana maro isan-karazany avy amin’ity fahefana mpitsara vokam-pifidianana ity. Tsy nampiova firy ny vokam-pifidianana, hoy hatrany ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana,ireo fanitsiana isan-karazany. Nambaran’i Augustin Hiloki, izay filoha faratampon’ny fitsarana any an-toerana fa azon’Andiamatoa Sasou-Nguesso ny fandresena tamin’ny alalan’ny salan’isa 88, 40%. Tsy nahazo rariny teo anatrehan’ny fitsarana kosa ireo mpanohitra izay efa niala nenina nitondra raharaham-pifidianana teo anivon’izy ireo.

Laisser un commentaire