SocialTatitra

France : Fisavana vaovao hitadiavana ny vata-mangatsiakan’i Estelle Mouzin

Nidina tao Issancourt-et-Rumel, ao Ardennes (avaratra) indray ireo mpanao fanadihadiana frantsay ny talata 06 aprily, nanohy ny fikarohana ny vata-mangatsiakin’i Estelle Mouzin, hoy ny mpanaraka akaiky ny antontan-taratasy mahakasika ity raharaha ity. Tovovavy iray isan’ireo novonoina niaraka tamina zazavavy fito tao anelanelan’ny taona 1987 sy 2001 i Estelle Mouzin, 9 taona. Raha tsiahivina, rangahy iray antsoina hoe Michel Fourniret, 78 taona no tompon’antoka tamin’ireo famonoana ireo. Niaiky ny heloka vitany izy taorian’ny fijoroan’ny vadiny teo aloha sady mpiray tsikombakomba taminy ho vavolombelona. Voaheloka higadra mandrapahafatiny araka izany andriamatoa Fourniret. Rehefa notanana am-bava kosa ilay vadiny taloha, Monique Olivier, vao nanoro toerana mety ahitàna ny fatina zazavavy iray. Isany nandray anjara tamin’ny famonoana ireo tovovavy ireo mantsy ity ramatoa be ity. 4 kilometatra miala ny trano nanolanana sy namonoina an’i Estelle Mouzin no misy ny tanànan’i Issancourt-et-Rumel nandefasan-dramatoa Olivier ireo mpanao fanadihadiana. Efa amam-bolana maro no nanaovana fisavana tao amin’io toerana io saingy tsy nahitam-bokany. Tapa-kevitra ny hamerina izany indray izy ireo nanomboka ny lakamisy 31 martsa lasa teo ary manantena ahita vokatra amin’ity indray mitoraka ity.

Laisser un commentaire