Thaïlande : Vonona handray ireo mpitsoa-ponenana Birmana manodidina ny iray hetsy
Nanao fanambarana ny ministry ny raharaham-bahiny Thaïlandais, fa vonona ny handray ireo mpitsoa-ponenana, tsy manan-kialofana Birmana, manodidina ny 100.000 eo, noho ny mbola fitohizan’ny ady eo amin’ny tafika Birmana sy ny mpanohitra azy, mba hifehezana ny sisin-tany any an-toerana, amin’izao fotoana. Mifampisasaka sisin-tany amin’ny Birmanie i Thailande, izay mirefy 2400km ; ity farany nahatafalatsaka ny roa tonta ao anatin’ny ady, hatramin’iny nisian’ny « junte » izay nanongana ny fanjakana tao an-toerana ny taona 2021. Nihamafy ny ady teo amin’ny sivily tao an-toerana tao anatin’izany ary anisan’ny lasibatra ireo olon-tsotra.
