SocialTsidika

Enap : Ny alahady 07 novambra ho avy izao no hiditra ireo mpiofana

Nisy ny fampiofanana ireo mpampianatra sy ireo mpampiofana ho fanomanana ny fidirana manaraka eo amin’ny sekolim-pirenena manofana mpandrarahan’ny fonja (Enap). Nohamasifisina hatrany ny kalitaon’ny fampianarana izay noezahina hiroso amin’ny fanarahana ny fenitra takian’ny iraisam-pirenena.

Vonona amin’ny fandraisana ireo mpianatra vaovao noho izany ny toeram-pampiofanana any Antetezambaro, faritra Toamasina faharoa. Ny alahady faha fiton’ny volana novambra ho izao no hanomboka ny fampianarana raha ny tety andro navaokan’ny eo amin’ny Minisitera misahana izany.

Raha tsihahivina, mpiofana miisa diman-jato, izay tafita soa aman-tsara tamin’ny fanadinana izay natao tamin’ny 17 septambra lasa teo no hiroso amin’ny fampiofanana ny 07 oktobra ho avy izao. Mpianatra miisa eninjato no zakan’ny toeram-pianarana saingy diman-jato ihany no noraisina ho fanajana hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana izay mbola manjaka eto amin’ny tany repoblikan’i Madagasikara.

« Efa ela no niandrasana ity fampiofanan ity. Ny taona 2020 no nikasa handray anjara saingy tsy nisy izany. Niazakazaka avy hatrany izahay vao nisy ny fampahafantarana fa efa misokatra ny fisoratana anarana. Mivaly soa aman-tsara ny ezaka ankehitriny » hoy i Idealy, tanora afaka tamin’ny fanadinana. « Fiofanana ara-batana sy ara-tsaina no hatrehin’ireo mpianatra, efa nisy noho izany ny fampiofanana ireo mpampianatra koa hinoana fa hizotra tsara ny fampianarana » hoy i Mahery, tompon’andraikitra amin’ny fampiofanana, « hanampy betsaka amin’ny raharahan’ny fonja ny fisian’ireo mpiofana vaovao ireo ».

« Tsihahivina fa noho ny isian’ny hamehana ara-pasahalaman teto amin’ny firenena no anony tsy nisian’ny fifaninana tamin’ny taona 2020 lasa teo » hoy ny Tale jeneralin’ny Enap, Razafintsalama Désiré. Anisan’ireo firenenena mbola manana taha ambony amin’ny isan’ny voafonja i Madagasikara, koa rariny sy hitsiny raha misy ny fampitomboana isa eo anivon’ireo mpiasa mpandraharaha ny fonja. Miara-mientana amin’ny fanatanterahina ny velirano napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny voakasikin’ny fampanantenana. Ny vahoaka manontolo no hisitraka ny fampandrosoana sy ny fiovana amin’ny fotoana hahatanterahan’iro velirano telo amby folo. Manana anjara lehibe amin’ny fanarenana ny fahantran’ny firenena noho izany ny mponina amin’ny alalan’ny fandraisany andraikitra mivantana, amin’ny famaliana ny antson’ny fanjakana ohatra.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire