Hiatrika ny lalao voalohany any Rwanda amin’ny Basket Africa League ny Zandarimaria
Manomboka mivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara amin’izao, indrindra amin’ny lalao hifanintsanana. Teo ny Barea izay niaro ny voninahi-pirenena, ny avy amin’ny Rugby ihany koa torak’izany sy maro hafa raha amin’ny lafin’ny fanatanjahan-tena no horesahana. Fa hiatrika ny lalao « Basket Africa League » amin’ity taona 2021 ity i Madagasikara izay soloin’ny Zandarimariam-pirenena mivondrona amin’ny Basket-ball na GNBC tena androany Alatsianiny 17 may alina any Rwanda. Lalao voalohany ho an’izy ireo io alina io izay hifanandrinany amin’ny « US Monastir »-n’i Tunisie. Tafiditra amin’ny vondrona A ny GNBC ka hifanandrina amin’ny tompon-toerana Rwanda indary izy ireo ny 19 May izao raha hihaona amin’ny « Rivers Hoppers »-n’i Nigeria kosa ny 23 may ho avy. Nanomboka omaly Alahady 16 may ny lalao tamin’ity izay tao Kigali any Rwanda izay nosokafan’i ekipan’i Rwanda sy Nigeria ka nandresy tamin’izany ry zareo Rwanda. Zava-dehibe ho an’ny voninahitry ny firenena ny fandraisana anjara amin’ny lalao toy izao, ary tsy natao diso anjara isika nanoloana ny ezaka goavana nataon’ny ekipa. Manohana hatrany ny Zandarimaria amin’izao lalao izao ny Malagasy tsy an-kanavaka.
Nicole Rafalimananjara
