Etats-Unis : Andro iraisam-pirenena ho an’ny trano avo na «gratte-ciel»
Androany 3 septambra no andro iraisam-pirenena ho an’ny trano avo. Natao ho fanomezam-boninahitra ilay mpanao mari-trano américain Louis Henry Sullivan ihany koa izany, izy izay namoron ny “gratte-ciel » ary antsoin’ny américain hoe « father of skyscrapers ». Teraka ny 3 septambra 1856 izy, anton’io daty.
Tao Saint-Louis ao Missouri kosa no nisy “gratte-ciel » voalohany. Trano antsoina hoe Wainwright Building izay natsangana teo anelanelan’ny taona 1890 sy 1891. Tao Chicago no nanaraka azy teo anelanelan’ny taona 1893 sy 1894, trano antsoina hoe Stock Exchange. Ny Guaranty Building tao New York kosa no laharana fahatelo, teo anelanelan’ny taona 1894 sy 1895 no nanamboarana azy.
