Grèce : Entanina hanao vaksiny fatra fahatelo ireo olona mihoatra ny 60 taona
Nipetraka tao Grèce ihany koa ny fepetra tsy maintsy hanaovan’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpiasa amina toerana mitaiza antitra ary manan-kilema vaksiny. Mba hitandrovana kokoa ireo olona efa nahazo taona sy marefo ireo nefa dia nanamafy ny fepetra ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana ao an-toerana. Hisy ny fatra fahatelo amin’ny vaksiny ho an’ireo olona mihoatra 60 taona. Tsy terena kosa nefa ny fanatanterahina izany hoy ny sekretera jeneralin’ny fahasalamana, Marios Themistokleous ary hanomboka amin’ny 30 septambra ny fandraisany ireo olona vonona hanatanteraka izany.
