ActualitésLalana sy FifamoivoizanaTsidika

Ampidinin’izay efa mipetraka ny strapontin mba tsy hanahirana ireo izay vao niakatra

Fahaiza-miaina adinodino rehefa any anaty fiara fitateram-bahoaka any ny mahakasika ny « seza volamena » (strapotin) hoy isika. Anisan’ny manahirana ny mametaka azy io rehefa teritery izay ny fiara fitateram-bahoaka.

Ao anatin’ny fahaiza-miaina tokony hifampitaizana, rehefa misy olona miditra ka hipetraka amin’ny strapotin, dia ilay olona mifandrify amin’ny no mametaka ilay seza. Misy ireo olona sarotiny rehefa voadona na voasembatsembana rehefa hametaka strapotin ilay mpandeha. Fihetsika tsotra anefa, ary tsy manahirana fa mampirindra ny fiaraha-monina anaty zotra-pitaterana, ny fametrahana moramora izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire